Luke 23

1Nitsangana ny olona rehetra tamin’izy ireo, ary nitondra an’i Jesosy teo anoloan’i Pilato. 2Nanomboka niampanga Azy izy ireo, niteny hoe: “Hitanay ity lehilahy ity nametaveta ny firenenay, nandrara ny hanomezana ny hetra ho an’i Kaisara, ary nilaza fa Izy tenany mihitsy no Kristy, mpanjaka.‘’

3Pilato nanontany Azy, niteny hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?” Jesosy namaly azy ary niteny hoe: “Voalazanao.” 4Pilato niteny tamin’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo vahoaka hoe: “Tsy mahita fahadisoana amin’ity lehilahy ity aho.” 5Fa mbola nanizingizina izy ireo, niteny hoe: “Manakorontana ny vahoaka io, mampianatra eran’ny Jodia manontolo, manomboka avy any Galilia na hatrety amin’ity toerana ity aza.”

6Koa rehefa ren’i Pilato izany, dia nanontany izy raha toa ka Galiliana ilay lehilahy. 7Rehefa hitany fa tao ambany fahefan’i Heroda Izy, dia nalefany Jesosy nankany amin’i Heroda, izay tany Jerosalema ihany koa tamin’izany andro izany.

8Rehefa hitan’i Heroda Jesosy, dia tena ravoravo izy, satria efa te-hahita Azy hatry ny ela. Nahare ny momba Azy izy ary nanantena ny hahita fahagagana maro nataony. 9Heroda nametra-panotaniana an’i Jesosy tamin’ny teny maro, saingy Jesosy tsy namaly na inona na inona azy. 10Ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna nitsangana, niampanga mafy Azy.

11Heroda sy ireo miaramilany nanevateva an’i Jesosy sady nanesoeso Azy. Avy eo dia nampiakanjo Azy lamba tsara tarehy izy ireo ary nalefan’izy ireo niverina tany amin’i Pilato Izy. 12Fa i Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana tamin’ny androtr’io (talohan’izany dia mpifahavalo izy ireo).

13Avy eo Pilato niantso ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanapaka ary ireo vahoaka maro niaraka, 14ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Nentinareo teto amiko ity lehilahy ity tahaka ny lehilahy izay mitarika ny olona hanao ratsy, ary jereo, izaho, raha nametra-panotaniana taminy teo anoloanareo, dia tsy mahita fahadisoana amin’ity lehilahy ity mahakasika ireo zavatra izay hiampanganareo Azy.

15Tsia, na dia Heroda aza, satria nalefany niverina taty amintsika Izy, ary jereo, tsy misy na inona na inona izay mendrika fahafatesana vitany. 16Noho izany dia ho faiziko Izy, ary ho havotsotro Izy.” 17[Fanamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny And 17 hoe: Ary Pilato dia voatery namotsotra gadra iray ho an’ireo Jiosy tamin’ny andro firavoravoana.]

18Fa niara-nihiaka mafy izy ireo, nanao hoe: “Ento any io lehilahy io, ary avotsory ho anay Barabasy!” 19Barabasy dia lehilahy iray izay naiditra am-ponja nohon’ny fikomiana maro tao an-tanàna sy famonoana olona.

20Ary niteny tamin’izy ireo indray Pilato, naniry ny hamotsotra an’i Jesosy. 21Saingy nitabataba mafy izy ireo, niteny hoe: “Homboy Izy, homboy Izy.” 22Niteny tamin’izy ireo fanintelony izy hoe: “Nahoana, fa inona no ratsy vitan’ity lehilahy ity? Tsy nahita na inona na inona izay mendrika sazy famonoana tao aminy aho. Noho izany rehefa avy manafay Azy, dia hamotsotra Azy aho.”

23Fa izy ireo nanizingizina tamin’ny feo avo, nangataka Azy mba homboana. Ny feon’izy ireo dia nandresy lahatra an’i Pilato. 24Ka dia nanapa-kevitra ny hanaiky ny fangatahan’izy ireo Pilato. 25Navotsony ilay iray nangatahin’izy ireo izay nalefa tany am-ponja nohon’ny fikomiana sy famonoana olona. Fa natolony ho amin’ny sitrapon’izy ireo Jesosy.

26Ary teo am-pitondrana Azy izy ireo, dia nitàna an’i Simona avy any Syrenia, izay avy any ambanivohitra, ary napetrak’izy ireo teo aminy ny hazofijaliana mba ho entiny, nanaraka an’i Jesosy.

27Maro tamin’ireo vahoaka, sy ireo vehivavy izay nalahelo mafy sy nisaona Azy, no nanaraka Azy. 28Fa rehefa nitodika tany amin’izy ireo, dia niteny Jesosy hoe: “Ry zanakavavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ho an’ny tenanareo sy ho an’ireo zanakareo.

29Fa indro, ho avy ny andro izay hitenenan’izy ireo hoe: ‘Sambatra ireo momba sy ireo kibo izay tsy niteraka, ary ny nono izay tsy nampinono zaza.’ 30Ary dia hanomboka hiteny amin’ireo tendrombohitra izy ireo hoe: ‘Mianjerà aminay,’ ary amin’ny havoana hoe: “Manaròna anay.” 31Fa raha manao izany zavatra izany izy ireo raha mbola maitso ny hazo, inona no hitranga rehefa maina izany?”

32Nisy lehilahy hafa, olon-dratsy anankiroa, nentina niaraka taminy mba ho vonoina.

33Rehefa tonga teo amin’ny toerana iray izay antsoina hoe “IKarandoha” izy ireo, dia teo no nanomboan’izy ireo Azy, sy ireo olon-dratsy - ny iray teo amin’ny ankavanany ary ny iray teo amin’ny ankaviany. 34Jesosy niteny hoe: “Ray o, mamelà azy ireo, fa tsy fantatr’izy ireo izay ataony.” Avy eo dia niloka izy ireo, nizarazara ireo fitafiany.

35Dia nijoro nijery teo ireo olona raha mbola nananihany Azy koa ireo mpanapaka, niteny hoe: “Namonjy ireo hafa Izy. Avelao Izy hamonjy ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay iray voafidy.”

36Ireo miaramila ihany koa dia nanala baraka Azy, nanatona Azy, nanome Azy vinaingitra, 37ary niteny hoe: “Raha Ianao no mpanjakan’ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.” 38Nisy famantarana ihany koa teo amboniny hoe: “Ity no mpanjakan’i Jiosy.”

39Ny iray tamin’ireo olon-dratsy izay nihantona teo no namingavinga Azy tamin’ny nitenenany hoe: “Tsy ianao ve no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay.” 40Fa ny anankiray niteny mafy azy, nanao hoe: “Tsy mba matahotra an’Andriamanitra ve ianao, raha samy ambanin’ny fanamelohana mitovy ihany? 41Isika dia eto ara-drariny tokoa, satria mandray izay mendrika ny asantsika isika. Fa ity lehilahy ity tsy nanao zavatra ratsy.‘’

42Avy eo izy niteny hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao Ianao.” 43Jesosy niteny taminy hoe: “Lazaiko marina aminao, fa anio ianao dia hiaraka amiko any paradisa.”

44Ary ora faha-enina teo ho eo tamin’izany, ary ny aizina avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin’ny ora fahasivy 45raha niha maizina ny hazavan’ny masoandro. Avy eo ny lamban’ny tempoly dia nizara avy teo afovoany.

46Nihiaka tamin’ny feo mafy, Jesosy niteny hoe: “Ray ô, eo an-tananao no ametrahako ny fanahiko.” Rehefa avy niteny izany, dia maty Izy. 47Rehefa hitan’ilay kapiteny ny zavatra nitranga, dia nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, niteny hoe: “Azo antoka tokoa fa olo-marina ity lehilahy ity.”

48Rehefa hitan’ireo vahoaka rehetra izay niara-tonga ho vavolombelona nanatri-maso ireo zavatra nitranga ireo, dia niverina niteha-tratra izy ireo. 49Fa ireo rehetra izay nahafantatra Azy, sy ireo vehivavy izay nanaraka Azy avy any Galilia, dia nitsangana teny alavidavitra, nijery izany zavatra izany.

50Ary indro, nisy lehilahy iray antsoina hoe Josefa, izay mpikambana tao amin’ny Synedriona. Olona tsara sady marina izy. 51Io lehilahy io dia tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny Synedriona sy ny asan’izy ireo. Avy any amin’ny tanànan’ny Jodiana tany Armatia izy; ary izy dia nikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra.

52Io lehilahy io, raha nanatona an’i Pilato, dia nangataka ny vatan’i Jesosy. 53Nalainy nidina izany, norakofany hariry madinika, ary napetrany tao anaty fasana iray izay novakiana tamin’ny vatolampy, izay tsy mbola nisy olona nalevina mihintsy.

54Andron’ny Fiomanana tamin’izany, ary mbola nazava ratsy ny Sabata. 55Ireo vehivavy, izay niaraka tamin’i Jesosy niala tao Galilia, dia nanaraka avy ao aoriana ary nahita ny fasana sy ny fomba nametrahana ny fatiny. Niverina izy ireo, ary nanomana zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ny sabata dia nitsahatra izy ireo araka ny didy.

56

Copyright information for PltULB